VAOVAO - MINUTE FLASH 05 JOLAY 2022

– FITATERANA – Miandry ny fiakaran’ny vidin’ny solika ny fanondrotana ny sarandalan’ny taksibe.
– FANONDRANANA LAVANILA – Nampitandrina ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana fa hosintonina ny fankatoavana nomena ireo mpanondrana lavanila tsy manaja ny vidin’ny iray kilao ho 250 dolara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena
– FANOMPOAM-PIRENENA – Tanora mihoatra ny 6.000 no nahavita ny fitsarana miaramila teto Antananarivo Renivohitra nandritra ny andro voalohany omaly alatsinainy