Matihanina amin’ny fiompiana tantely eto Madagasikara ny Agrivet. Ity lalam-pihariana ity dia mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarena. Agrivet dia manana ny vahaolana rehetra hanampiana, na hanosehana ny tetikasanao, raha te hampitombo ny fiompianao tantely ianao, na vao hanomboka hanao izany.
Tandindomindoza anefa ny tantely nohon’ny aretina Varroa. Io bibikely io dia mamono ny tantely. Mamindra ary mety handringana ny fiompiana iray manontolo mihitsy izy ity. Hamelabelatra amin-tsika eto ireo vahaolana atolotry ny orin’asa hiadiana amin’ity bibikely mpandrava ity i Dr Karlo. Hohazavainy amin’izany fa ny fanafody ampiasaina, izay nafarana avy any ivelany, dia tsy misy atahorana ho an’ny fahasalamana ary indrindra mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena.