ANTENIMIERAM-PIRENENA – Nampifanaritaka ny solombavambahoaka ny fomba fifidianana ny olona hotendren’izy ireo eny amin’ny Ceni

Azo atao ve sa tsia ny manome alalana solombavambahoaka hafa hifidy amin’ny anaran’ny solombavambahoaka iray raha tsy afaka manatrika ny fifidianana ity farany ? Fanontaniana nampifanolana teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny talata teo ka saika hampitarazoka indray ny fifidianana izay olona hotendren’ny Antenimieram-pirenena ho mpikambana ao amin’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana. Rehefa nifanaiky tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana ny rehetra dia niroso ihany ny fandatsaham-bato. Saingy savorovoro ihany aloha vao tapaka ny hevitra.
Vato 60 tamin’ireo 93 narotsaka no nahalany an’i Narcisse Andrianaly Benaivo, manam-pahaizana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ho mpikambana ao amin’ny CENI.