BAOLINA KITRA – Famakafakana alohan’ny lalao hihaonan’i Madagasikara sy i Tanzania

Ny fanovana mety ho entin’ny mpanazatra amin’ny lalao hihaonan’ny Barea amin’ny Taifa Stars any Dar Es Salam. Ireo heverina ho lesoka mila ahitsy nandritra ny fampivondronana sy tamin’ny faharesena nanoloana ny Écureuils-n’i Bénin.
Iarahana amin’i Andriamanambe Raoto, mpanao gazety, sy i Ruphin Menahely, mpilalao tao amin’ny ekipam-pirenena teo aloha.
Mpanentana : Iloniaina Alain, mpanao gazetin’ny 2424.mg.