Niseho vahoaka teto Antananarivo sy nizara hafaliana ho an’ny mponin’Antananarivo ireo mpilalao baolina lavalava sokajy vehivavy taorian’ny nahazoany ny tapakila handraisany anjara amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany atsy Afrika Atsimo amin’ny Septambra. Tafaverina an-tanindrazana androany alarobia izy ireo rehefa avy niady ny amboaran’i Afrika amin’ny Rugby à 7 sokajy vehivavy. Noraisin’ny Filoha Rajoelina teny Iavoloha ihany koa izy ireo.
