CENI : NAMETRA-PIALALANA I THIERRY RAKOTONARIVO

Taorian’ny fangatahana fampiatoana an’i Thierry Rakotonarivo, nataon’ny Vaomiera mahaleotena mpikarakara fifidianana (CENI), ny 05 martsa teo, teny anivon’ny Fitsarana avo momban’ny lalàm-panorenana dia nametra-pialana omaly 11 martsa ity filoha lefitry ny CENI ity. Nohamafisin’i Heriniaina Rakotomanana filohan’ny CENI, ny 12 martsa teny Alarobia, fa famoahana vaovao tsy nahazoana fankatoavin’ny birao maharitra no isan’ny fiampangana fampiataona ity mpikambana ity.