CORONAVIRUS : MANGATAKA NY HAMPODIANA IREO MPIANATRA MALAGASY ANY CHINE IREO RAY AMAN-DRENIN’IZY IREO

CORONAVIRUS – Manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus, dia mangataka ny fitondram-panjakana ireo ray aman-dreny manan-janaka mianatra, sy miasa any Chine, ny hampodiana ireto farany. Vonona ny hanaraka ny fitsipika hapetraky ny sampan-draharaha misahana ny fahasalamana izy ireo rehefa tody soa aman-tsara eto an-tanindrazana ireo havany.