DR LAMINA ARTHUR RAKOTONJANABELO : « Rehefa mitondra ny tsimokaretina ny 60 na ny 70%-n’ny mponina eo amin’ny toerana iray dia mihena ho azy ny valanaretina »

Ankoatra ny fametrahana fepetra isan-karazany namaliana bontana ny tsimokaretina coronavirus tany Toamasina dia azo lazaina fa anisan’ny nampihena ny tahan’ny valanaretina tany amin’iny faritra iny ny hamaroan’ireo olona heverina fa efa nahazo ka nitondra ny tsimokaretina. « Rehefa mitondra ny tsimokaretina ny 60 na ny 70%-n’ny mponina eo amin’ny toerana iray, na salama ivelany na marary izy ireo, dia mihena ho azy ny valanaretina », hoy ny Dr Lamina Arthur Rakotonjanabelo, Talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Raha ny nambaran’ity tompon’andraikitra ity dia mizotra mankany amin’izay lalana izay ny eto Antananarivo sy ny faritra Analamanga raha ny fahitana ny habetsaky ny olona efa nidiran’ny tsimokaretina. Na izany aza anefa, ilaina fehezina sy tohanana tsy hifindra any amin’ny faritra hafa ny tsimokaretina. Rehefa voahidy ao amin’ny faritra iray ny valanaretina dia tsy ahiana ny hitarany any amin’ny faritra hafa izay tsy mbola nahita tsimokaretina ny 90%-n’ny mponina. Raha toa ka tsy voafehy ny fivezivezen’ny tsimokaretina entin’ny olombelona dia ambony ny ahiahy mety hisian’ny valanaretina mafimafy any amin’ny faritra hafa.