EPIDEMIE – Sensibilisation à la prévention de la peste

La peste est une épidémie saisonnière sur la Grande île. La période la plus propice à la transmission commence en Août avec les cérémonies traditionnelles de retournement des morts où les cadavres exhumés sont à risque de porter des bactéries de peste. Elle ne se termine que vers le mois d’Avril, à la fin de la saison des pluies. Le ministère de la Santé publique appelle donc à la vigilance. Et invite les populations à tout de suite consulter en cas de suspicion.

———————————————————–
VALANARETINA – Fanentanana amin’ny fiarovana amin’ny pesta
Saika isan-taona dia misy hatrany ny valanaretina pesta eto Madagasikara. Manomboka amin’ny volana Aogositra no manomboka ny vanim-potoana mampirongatra ity aretina ity, mandritra ny fotoanan’ny famadihana, satria mety mitondra ny otrikareti’ny pesta ireo razana avadika. Any amin’ny volana Aprily any vao mifarana ny vanim-potoanan’ny pesta, rehefa mitsahatra ny orana. Manentana ny mponina araka izany hitandrina ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Manentana ihany koa izy ny amin’ny hanatonana ny tobim-pahasalamana raha vao misy ny ahiahy.