Ny teny tenenina eto Antananarivo ve no atao hoe teny malagasy. Hatramin’ny androany dia tsy mbola misy mamaritra mazava tsara hoe ny teny merina tokoa no atao hoe teny malagasy ofisialy. Tsy azo lavina anefa fa ny teny merina no teny mora azon’ny ankamaroan’ny malagasy noho izy nandikana ny baiboly, boky malagasy voalohany nampiasana ny abidia malagasy latina tamin’ny nanjakan-dRadama voalohany. Ho an’i Profesora Jeannot Fils Ranaivoson dia tsy misy famaritana izany malagasy ofisialy izany.
Est-ce la langue parlée à Antananarivo que l’on appelle la langue malgache ?
