Tsy ny olombelona ihany no miaina valanaretina amin’izao fotoana izao eto Madagasikara fa ny biby ihany koa. Faritra telo eto Madagasikara no ahitana ny Fièvre de la Vallée du Rift izay valanaretina mpahazo ny omby, ny ondry ary ny osy. Ahoana no fifindrany amin’ny olombelona ? Inona no fitandremana tokony hatao ? Ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny minisitera misahana ny Fiompiana.

