FAKANA FISOTROAN-DRONONO : Tsy nahasakana ireo zokiolona ny tsy fisian’ny fitaterana

Vao mangiran-dratsy no efa niala teny Itaosy i Jean Chrysostome Randrianasolo naka ny fisotroan-dronono izay nozaraina nanomboka androany 17 aprily. Tsy nahasakana azy sy ireo zokiolona toa azy ny tsy fisian’ny fiara.