FAMATSIANA HERINARATRA – Manentana ny mpanjifa hanatona azy ny Jirama hahafahana manitsy ny faktiorany raha misy diso

Efa nanitsy faktiora 5000 tamin’ireo 40000 nojereny sy narahiny maso ny Jirama. Saingy mbola miantso hatrany ireo mpanjifa manana ahiahy amin’ny fidangan’ny vidin-jiro ity orinasam-panjakana ity hanatona azy. Tanjona amin’izany ny hitondra fanitsiana raha toa ka diso ny fatran’ny herinaratra na rano lany voasoratra tao anaty faktiora.