FANABEAZANA – Inona marina ilay hoe Fanabeazana maimaim-poana ?

Anisan’ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny Filan-kevitry ny minisitra taorian’ny nanendrena ireo mpikambana ao amin’ny governemanta vaovao ny hampihenana ny vesatra zakain’ireo ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany. Tafiditra anisan’izany ny tsy maintsy hanaovana maimaim-poana ny fanabeazana. Ny saram-pisoratana anarana ihany anefa no maimaim-poana raha ny voalazan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Raha misy ny fandraisana anjara takian’ny Fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra eny anivon’ny fiaraha-monina, hanaovana tetikasa hanatsarana sy hampihodinana ny sekoly na koa hanakaramana ireo mpampianatra Fram, ka nifanarahana nandritra ny fivoriam-be dia tsy maintsy mandoa fandraisana anjara ny ray aman-dreny. Na izany aza, nisy ny toromarika nataon’ny minisitera mba tsy handoavan’ireo fianakaviana tena sahirana na ilay fandraisana anjara aloan’ny ray aman-dreny aza, sy ny hampihenana farany ambany ny vola aloan’ireo tsy tafiditra anatin’ny sokajin’ny tena sahirana ka mahavita mandoa latsakemboka kely ihany. Sombiny tamin’ny fanazavana nentin’i Marie Michelle Sahondrarimalala, minisitry ny Fanabeazam-pirenena.
—-
EDUCATION – La gratuité de l’enseignement dans les écoles publiques
L’allègement des charges parentales dans l’éducation des enfants est l’une des consignes données par le président de la République durant le premier Conseil des ministres après la nomination des membres du nouveau gouvernement. La gratuité de l’enseignement fait partie de ces mesures. Mais selon la ministre de l’Education nationale, la gratuité ne concerne que les inscriptions et les réinscriptions. Si les associations des parents d’élèves dans le cadre des communautés éducatives décident de faire payer des contributions aux parents en vue de réaliser des projets pour l’établissement scolaire ou pour payer les enseignants non fonctionnaires non subventionnés, et si cela a été décidé en assemblée générale, les parents sont tenus de payer ces contributions parentales. Le ministère a néanmoins donné des consignes pour que les familles les plus vulnérables n’aient pas à payer les contributions parentales, et pour que les autres familles, celles qui ne sont pas dans cette catégorie et qui peuvent payer quand même des cotisations, aient le minimum de charges. Extrait de la déclaration de Marie Michelle Sahondrarimalala, ministre de l’Education nationale.