FANOMEZANA LANJA NY VALIHA

FANOMEZANA LANJA NY VALIHA – Notanterahana ny 28 desambra teo ny andihany faharoa amin’ilay hetsika kolotoraly : « Mpamaliha mitety tanàna » ary natao tamin’ny faritra maro teto andrenivohitra. Raha ny nambaran’ny mpikarakara avy ao amin’ny Ivo-toerana ara-kolontsaina Volahasiniana, dia ny hampivondronana ireo mpiangaly « valiha », ary ihany koa hamerenana indray ny lanjan’ity zava-maneno ity eo amin’ny fiaraha-monina, no tanjon’ny hetsika.