Antananarivo, 10 septembre, 14h41 – Les groupements d’entreprises se disent surpris de la décision de l’Etat de fermer les usines appartenant au groupe Tiko, en pleine période d’urgence sanitaire. « La priorité en ce moment est de soutenir les entreprises, peu importe son propriétaire, afin de maintenir l’emploi », affirme Hery Lanto Rakotoarisoa, président du Groupement des entreprises franches de Madagascar (GEFP) lors d’un point de presse.
Il estime que le non-paiement des impôts est une raison insuffisante pour procéder à la fermeture d’une usine étant donné que le secteur privé a essayé depuis le début de l’état d’urgence de convaincre l’Etat de supprimer les impôts, au profit des entreprises. « Les employés seront les premiers touchés par cette fermeture » regrette-t-il.
———————
Naneho ny fahagagany noho ny fanapahan-kevitry ny fanjakana hanakatona ireo ozinina ao amin’ny vondrona Tiko, ao anatin’ny vanim-potoanan’ny hamehana ireo vondron’ny orinasa tsy miankina. Tsy laharam-pahamehana ny fanakatonana orinasa, hoy indrindra izy ireo. « Ny fanohanana ny orinasa rehetra, na iza na iza tompony, no tokony ho laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao hitandroana ny asa » hoy i Hery Lanto Rakotoarisoa, filohan’ny Vondron’ny orinasa afaka haba eto Madagasikara (GEFP). Notsindriany fa « tsy antony ampy hanidiana orinasa ny tsy fandoavan-ketra satria efa niezaka nandresy lahatra ny fanjakana tsy handoavana hetra ny sehatra tsy miankina, ho tombontsoan’ny orinasa noho ny hamehana », hoy ihany izy, naneho ny alahelo ny amin’ireo « mpiasa izay voalohany ho tena voakasiky ny fanakatonana.

