Mihena ny isan’ny mpividy sainam-pirenena. Na dia heverina fa hanetriketrika aza ny fanamarihana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovan-tena dia toa mahatsapa fahalainana any amin’ireo olom-pirenena ireo mpanjaitra sy mpivarotra sainam-pirenena. Nampihena ny vokatra amboariny na nampitsahatra tanteraka ny famokarana sainam-pirenena mihitsy ny ankamaroan’izy ireo manoloana izany.













