Fetin’ny reny amin’ny alahady 29 may fa sao hadinonao. Fa iza aloha ilay antsoina hoe reny e ? Ary inona no heverinao fa adidin’izany reny izany ? Inona ary no atolotrao azy hanehoana aminy ny fankasitrahanao noho ny vitany rehetra ? Olona vitsivitsy sendra anay no namaly ny fanontaniana. Fa ianao koa afaka mamaly eo amin’ny toerana natokana hanaovana fanamarihana ? Iza no antsoina hoe Neny ? Inona no heverinao fa andraikiny ? Ary inona no atolotrao ho fankasitrahana azy ?














