FIADIDINA NY TANANA

TSENA – Mbola mitohy hatrany ny fandaminana ireo mpivarotra amoron-dàlana eto an-drenivohitra. Misy araka izany ny toerana namindrana azy ireo. Mila manaraka ny fitsipika hentitra apetraky ny fiadidiana ny tanàna ny mpivarotra rehefa manao ny asa fivarotany. Ohatra amin’ireny ny fanajana ny fandaminana sy ny fanadiovana ny toerana rehefa miala izy ireo.