Namaly ny taratasy nalefan’ny Governementa, ho fangatahana tetiandro vaovao ny amin’ny fifidianana ben’ny tànana ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI). Nanambara ny filoha lefitry ny Ceni, Thierry Rakotonarivo, ny 14 aogositra teny Alarobia, fa ny 27 novambra no daty afaka hanatanterahana izany fifidianana izany.
Tsy hisy ny fanokafana ny lisi-pifidianana fa ny efa nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ihany no ho ampiasaina amin’izany.