FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA

Manolona ny resabe mahakasika ny fitsidiham-paritra nataon’ny filoham-pirenena nifandraika tamin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombavambahoaka. Nolavin’ny Filoha Andry Rajoelina, ny 27 mey teny Ambatobe, ny filazana azy ho nanao fampielezan-kevitra. Nomarihiny koa fa zava-dehibe ny fifidianana solombavambahoaka noho ireo ho fidiana izay hisolo ny vavan’ny vahoaka any amin’ny distrika misy azy ireo.