FIHIBOHANA : Eo amin’ny 700 eo no olona sahirana voaangon’ny kaominina

Amin’izao fotoanan’ny fihibohana izao dia noraisin’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra an-tanana ireo olona sahirana sy tsy manan-kialofana. Miisa eo amin’ny 700 eo izy ireo. Nanambara ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny fiadidiana ny tanàna fa tsy mijanona amin’izao vanim-potoana fisian’ny valan’aretina coronavirus izao fotsiny ny fitsinjovana ireo fianankaviana ireo, fa efa misy drafitra maty paika momba izany. Ny tanjona dia ny tsy hiverenan’izy ireo hatory eny an-dàlana intsony.