FIRARIANTSOA – Ireo fomba firarian-tsoa teo amin’ny Malagasy rehefa tonga ny taom-baovao

Fantatrao ve ny fomba fanaon’ny Malagasy rehefa tonga ny taom-baovao ? Fifampiarahabana tratran’ny taona no tena mahazatra ny mponina eto Madagasikara rehefa migadona ny taom-baovao. Ombam-pirarian-tsoa ihany koa anefa izany fifampiarahabana izany, ary fandre matetika ny hoe : « ho taon-jina e », « ho taona lavitra ny aretina », « ho arivo tratry ny taona ». Fomba malagasy ihany koa, ankoatra ny ny fifampiarahabana sy ny fifampirarian-tsoa, ny fifanolorana fanomezana. Mivoatra manaraka ny vanim-potoana ny endrika sy ny fiantsoana io fanomezana io.