Mitohy ny fifampiresahana eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa momba ireo nosy kely manodidina an’i Madagasikara, hoy ny minisitra ny Raharaham-bahiny, Djacoba Liva Tehindrazanareivelo nandritra ny fotoana nanaovany tatitra manoloana ireo solombavam-bahoaka ny talata 02 jona lasa teo.
Anisan’ny fanontaniana nendrasan’ny solombavambahoaka valiny taminy ny tohin’ny dfdampiantsoana nataony tamin’ny masoivoho frantsay monina eto Madagasikara.













