FITSIPI-PANORATANA- Tsy mitovy hono ny hevitry ny teny hoe « samy hafa » sy « samihafa »

Mitovy fanonona fa sady tsy mitovy fanoratra no tsy mitovy hevitra ny « samy hafa » sy ny « samihafa ». Afangarontsika anefa izy ireo matetika ka raha « samy hafa » no tokony hosoratana dia « samihafa » no voasoratra. Manova ny hafatra tiana hampitaina anefa izany. Efa manome fotoana indray Ingahy Nalisoa Ravalitera mpampianatra hanoro antsika ny fampiasana azy. Samy hafa mihitsy ny « samihafa » sy « samy hafa » e. Hevitra samihafa no voiziny.