FIVERENENAN’NY MPIANATRA : Samy miezaka mandray fepetra ireo tompon’andraikitry ny sekoly

Samy mametraka ireo lamina rehetra hiomanana amin’ny fidiran’ny mpianatra rahampitso, 22 Aprily, ireo sekoly eto Antananarivo. Hoan’ny sekolim-panjakana manokana dia misy ny fanadiovana ireo laikilasy izay hovantanin’ny ankizy.