FODIANA ANY AMIN’NY FARITRA : Mangataka fanamboarana amin’ny fifandaminana ireo mpitatitra

Taorian’ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena mahakasika ny fahafahana miverina any amin’ny faritra, tsy mitsahatra ny mivory ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Mbola misy ihany anefa ny manjavozavo mahakasika ny fandaminana. Manana soso-kevitra sy hetaheta ireo mpamily fiara amin’ny zotra nasionaly mahakasika izany.