FOMBA FIFAMPIARAHABANA – Arahaba tratry ny taona sa arahaba nahatratra ny taona no fiteny ?

Tsy ny mirary soa ihany no atao rehefa tonga ny taom-baovao fa ny mifampiarahaba ihany koa noho ny fahatongavan’izany fety izany, sy ny mbola nahateo ny tsirairay tamin’io fotoana io. Satria ny fotoana tokoa hono no mahatratra ny olombelona. Raha hifampiarahaba izany rehefa tonga ny fety, dia « arahaba tratry ny fety » no fiteny fa tsy « arahabaina nahatratra ny fety ». Henoy ange ny fanazavan’ny Profesora Jeannot Fils Ranaivoson, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny zanatsehatra Malagasy eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo e.