FOMBA FITENY – Fandrefesana fotoana amin’ny teny sy amin’ny fomba malagasy

Tsy mba nanana irony fitaovana famataranandro irony ny Malagasy. Tsy segondra na minitra na ora araka izany no handrefesany ny fotoana fa arakaraka ny fotoana laniny amin’ny fihetsika na asa ataony andavanandro. Raha 30 minitra ohatra ilay fotoana dia in-dray mahamasa-bary no filaza azy. Raha tena fohy dia fohy, ohatra hoe ampaha-tsegonda dia indray mipi-maso sns. Mitondra fanazavana ny Profesora Solo Jean Dominique Randrianarivelo, mpampianatra malagasy.