FOMBA SY FITENY – Ny fiheveran’ny Malagasy ny hoe « fotoana », hita taratra avy amin’ny voambolana ampiasainy

« Fotoana ». Misy dikany sy heviny maro ny voambolana hoe « fotoana », ho amin’ny Malagasy. Sady entiny hamaritana ora, na andro nifanarahana hihaonana (Amin’ny firy ny fotoana ? Amin’ny fotoana toy inona ianao no afaka ?), no ilazany ihany koa fizaran-taona fanaovana asa na taozavatra (fotoam-pahavaratra – fotoam-panetsana), na ihany koa halavam-paharetana (fotoana nanjakan-dRanona …) sy paik’andro ary fetr’andro (Tonga fotoana ilay vehivavy.) ny teny hoe « Fotoana ».
Amin’ny ankapobeny, miverimberina sy mitsingerina ny fotoana raha ny fiheveran’ny Malagasy azy, ka hita soritra amin’ny fiteny fampiasany an-davanandro izany. Rehefa miresaka faharetan-javatra anefa izy dia tokanjotra ihany ny fotoana aminy. Ny fahitan’ny Malagasy ny fotoana, hita soritra amin’ny voambolana ampiasainy no ho resahin’ny Profesora Jeannot Fils Ranaivosoa, mpampianatra-mpikaroka teny malagasy amintsika androany.