GERARD ANDRIAMANOHISOA – « Ny fotodrafitrasa fivarinan’ny rano eto Antananarivo no ilana fanamboarana fa tsy ny Kianja Barea izay manaraka ny fenitra »

Manizingizina i Gérard Andriamanohisoa, sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana fa manaraka ny fenitra ny nanamboarana ny fikorianan’ny rano ao amin’ny kianjan’i Barea.
Olan’ny fanadiovana eto Antananarivo no nitranga tamin’ny faran’ny herinandro teo hoy izy fa tsy misy hidiran’ny asa natao tao amin’ny Kianja.