HAIN-TRANO – Olona iray no maty, fianakaviana fito no tra-boina teny Ambalavao Isotry

Ela vao voafehy ny afo nandoro ity trano iray may tetsy Ambalavao Isotry ny sabotsy alina teo. Nananosarotra vao nahita rano hamonoana ny afo ny mpamonjy voina tonga teny an-toerana. Lehilahy iray no namoy ny ainy noho ny loza. Fianakaviana fito no tsy manan-kialofana noho ny hain-trano. Tsy fahatomombanana teo amin’ny kojakoja mandeha amin’ny herinaratra no niavian’ny loza raha ny vaovao nampitain’ireo mponina tao amin’ilay trano may.