HAISORATRA – Ny hafatr’i Rado ho an’ny taranaka

Tsy ho fanamarihana fotsiny ny faha-100 nahaterahan’i Rado na i Georges Andriamanantena no hamerenan’ireo taranany indray manonta ny asasorany. Natao ihany koa hampitana amin’ny tanora ankehitriny ny hafatry ny mpanoratra izay mirakitra fitiavan-tanindrazana sy manandratra ny maha-Malagasy.