« HUILES ESSENTIELLES » : Mila fitandremana ny fampiasana azy

Miha-maro ny olona mampiasa ny “Huiles essentielles” taorian’ny niatombohan’ny valan’aretina Coronavirus. Mihamaro ihany koa ireo mivarotra izany vokatra izany ary ahitana karazany maro. Mila fitandremana anefa ny fampiasana azy itony ary tsy azo atao tsy am-piheverana hoy ireo manam-pahaizana.