Mbola sarotra ho an’ny Malagasy ny manome lanja ireo sangan’asan’ireo mpanao asa tanana malagasy. Tsy mora ho azy ireo ny manondrana vokatra any ivelany, nefa ny tsena anatiny koa somary mbola malaina amin’ny fanjifana « asa tanana malagasy ».
« Ny tanjona dia hampivoarana sy hanadratana ny asa tanana vita malagasy », hoy i Tsingetry, mpikarakara ny hetsika « Kanton’i Gasikara » (zaridaina Antaninarenina, hatramin’ny 31 aogositra). Tranoheva miisa 34 no mampiranty ny asa tanana malagasy mandritra ny hetsika.