KOLOTSAINA : Tsenam-boky andiany faha 15

Mandalo fasahiranana ny mpivarotra boky ankehitriny. Izay no tsapa raha nitafatafa tamin’izy ireo izahay nandritra ny « Tsenam-boky andiany faha 15 » notanterahina teo Antaninarenina. Eo ny fironan’ny mpanjifa mankany amin’ny teknolojia vaovao, eo koa ny tsy fahampian’ny fahefa-mividy izay anisan’ny antony lehibe mahatonga ny olona tsy afaka manjifa boky. Ankehitriny anefa dia betsaka ny tetikasa napetraky ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolotsaina mba hanentanana ny olona hamaky boky ary hanampiana ireo mpandraharaha ireo.