KOMITY LOHARANO : Mbola misy ny sivana atao amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo

Hapetraka isaky ny fokontany sy « secteur » tsirairay avy ny komity Loharano, ka hiantsoana izay tsara sitra-po sy manana finiavana hampandroso ny firenena. Tsy ny ady amin’ny Coronavirus ihany mantsy no hilana azy ireo. Tsy ny olona rehetra noho izany no afaka hiditra ao anaty komity Loharano, fa tsy maintsy misy ny sivana hatao amin’izany. Anisan’ny manana andraikitra manokana ao anatin’izany ny sefo fokontany.