KOMITY LOHARANO : Mbola tsy tafajoro hatramin’izao

Raha efa tamin’ny 05 aprily no nambaran’ny filoham-pirenena ny fananganana ny komity Loharano eny anivon’ny fokontany dia mbola tsy tafajoro izy ireny iray volana aty aoriana. Mbola tsy mazava ihany koa ankehitriny ny tena fomba nisafidianana ireo mpikambana handrafitra izany.