LASA MIRONA ANY AMIN’NY FITATERANA OLONA IREO SARETY SY BISIKILETA

Nohon’ny tsy fisian’ny fiara fitateram-bahoaka dia lasa mirona any amin’ny fitaterana olona ireo sarety sy bisikileta nandritra izao andro fihibohana izao. Mahazaka mpandeha enina isaky ny dia ny sarety iray ; ny bisikileta kosa dia mahavita miverina im-balo amin’ny toerana iray ao anatin’ny iray andro.