LOSITRA FAOBE – « Tao anatin’ny fonja dia efa nampihatra herisetra ireo gadra nitsoaka », hoy ny minisitry ny Fitsarana, Johnny Andriamahefarivo

Tsy nahatohitra ireo gadra amam-polony maro efa vonona ny handositra ny fonja ireo mpiambina efatra tao amin’ny fonjan’i Farafangana, raha ny tatitra nataon’ny minisitry ny Fitsarana, Johnny Andriamahefarivo, taorian’ny fidinana tany an-toerana nataony niarahany tamin’ny tompon’andraikitra hafa tao amin’ny governemanta. Nitantara ny ministra fa maro tamin’ireo gadra no tsy nanam-pikasana handositra saingy noterena hivoaka ny fonja raha ny fitantaran’ny mpitahiry ny tombo-kasem-panjakana.
350 no gadra notazonina tao amin’ny fonjan’i Farafangana ka ny 88 tamin’izy ireo no tafavoaka ny fonja tamin’iny alahady 23 Aogositra iny. Raha ny tatitra farany avy amin’ny minisitera dia 23 ny fitambaran’ireo namoy ny ainy noho ny fifampitifirana teo am-panenjehana ireo voafonja, 47 no efa azo sambo-belona ka tafaverina ary mbola misy 18 karohina amin’izao fotoana izao.
Le ministre de la Justice, Johnny Andriamahefarivo, revient sur ce qui s’est réellement passé dans l’enceinte de la prison de Farafangana. A l’entendre, il n’y avait que quatre gardiens pour faire face à des dizaines de détenus qui étaient prêts à s’enfuir et qui avaient fait preuve de violence alors même qu’ils étaient encore dans l’enceinte de la prison.