LYCEE MODERNE AMPEFILOHA : Tsy misy mpianatra na dia iray aza noterena hisotro Covid-organics

Taorian’ny resabe nisy teo anivon’ny tambazotran-tserasera mahakasika ireo mpianatra tsy nanaiky hisotro Covid-organics tao amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha, dia nanazava ny tompon’andraikitra teny an-toerana fa tsy nisy na dia iray aza ny ankizy noterena hisotro ity tambavy ity.