Tamin’ny 6ora hariva omaly zoma dia efa nisy tonga teny Mahamasina hilahatra tapakila ahafahana manatrika ny lanonana fitokanana ny Kianja Barea sy mijery ny lalao hifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Ecureuils-n’i Bénin izay hatao ny 2 Septambra ho avy izao. Na dia nisy aza ny naoty nataon’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra mandrara ny mpijery ao an-kianja mandritra ny lalao, dia mbola manantena hatrany ireto mpankafy hijery baolina. Nanambara ny tompon’andraikitra fa misy ny fifampiresahana ho amin’izany. Nitohy araka izany ny fizarana tapakila.
MAHAMASINA – Dans les rangs de ceux qui veulent voir le match du 2 Septembre
Ceux qui sont venus très tôt ce samedi, voire vendredi soir, à Mahamasina ne désespèrent pas de pouvoir voir le match Madagascar-Bénin le 2 Septembre, malgré l’injonction de la Confédération africaine de football (CAF) de jouer le match à huis-clos. Les autorités affirment négocier pour cela. La distribution des tickets gratuits a donc eu lieu comme prévu depuis ce samedi matin.
