Nahoana no tsy nahomby ny fanagasiana?

Antony iray foana matetika no hamehezana ny tsy fahombiazan’ny fanagasiana : ny fampiasana ny teny malagasy tany amin’ny sehatry ny fampianarana. Tsy feno anefa izay fijery izay raha ny hevitry ny Pr Ranaivoson Jeannot Fils, mpampianatra mpikaroka. Raha ny heviny dia ny fampiharana izany tao anaty hamehana, tsy nisy fanomanana no tena olana tamin’ny fanovana nentina tamin’izany fotoana izany.