?COMMUNIQUÉ DE PRESSE – GALANA

Depuis le début de la crise liée au COVID-19, GALANA assure sans faille l’approvisionnement des stations-service et des clients stratégiques tels que JIRAMA. Aujourd’hui Galana a décidé d’aller plus loin et de venir en aide à la ville d’Antananarivo et plus particulièrement à ses pompiers en remettant au lieutenant-colonel Tiana Razarimanahaka, Chef de corps des sapeurs-pompiers de Tsaralalàna, une importante dotation en gasoil, ceci en présence de Monsieur le Maire Naina Andriantsitohaina lors d’une visite à l’Hôtel de ville Analakely.
Galana permet ainsi à ces hommes courageux de lutter plus efficacement contre un adversaire redoutable et dont nous souhaitons tous venir rapidement à bout.

Raha vantany vao nisy ny krizy noho ny COVID-19, GALANA dia nanatanterahaka hatrany ny famatsiana ireo tobin-tsolika sy ireo mpanjifa toa ny JIRAMA, ary nizotra tsara tsy nisy madilana ho tetenina izany asa izany. Ankehitriny dia tsy hionona amin’izany fotsiny ihany anefa iGALANA, fa hiroso lalin-dalina kokoa; ho santatr’izany ny fanampiana ny tanànan’Antananarivo, amin’ny famatsiana solika(gasoil) ireo mpamonjy voina. Izany moa dia natolotra ny lieutenant-colonel Tiana Razarimanahaka, Chef de corps des sapeurs-pompiers ao Tsaralalàna, ary teo ambany fanatrehan’ny Ben’ny Tanàn’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina nandritry ny fitsidihany tao amin’ny Hôtel de ville Analakely .

Galana dia mankahery ireto mahery fo ireto amin’izao ady atao amin’ity fahavalo mampivarahontsana ity izao, ary maniry ny mba hiverenana haingana amin’ny laoniny ny zava-drehetra.