?8 MARTSA : HOTONTOSAINA ANY TOLIARA NY 1 KA HATRAMIN’NY 8 MARTSA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY

« Izao sy ianao, isika rehetra miombona andraikitra isitrahan’ny vehivavy ny zony », io no lohahevitra amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izay ho tontosaina manomboka ny voalohan’ny volana martsa ka hatramin’ny 8 martsa. Maro ny antony nisafidianana an’i Toliara entina hanatanterahana izao herinandro ho an’ny zon’ny vehivavy izao. Maherin’ny 10 %-n’ny vehivavy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana no iharan’ny herisetra, raha toa ka maherin’ny 50 %-n’ny mponina erak’i Madagasikara dia vehivavy avokoa. Isan’ny faritra ahitana taha ambony ihany koa ny any Atsimo Andrefana amin’ny fampanambadiana aloha loatra. Manoloana ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fanafian-dahalo any dia maro ireo vehivahy no iharan’ny fanolanana. Manoloana ireo vondrona sy fikambanana miady ho an’ny zon’ny vehivavy dia hita fa efa maro ny asa vita fa tsy mbola hita taratra ny vokany. Maro ny hetsika hotanterahina mandritra io herinandro io. Isan’izany ny firesahana ny tontolo iainan’ny vehivavy, ny fampiofanana amin’ny fitadiavana famatsiam-bola, ny fampandraisan’anjaran’ny vehivahy ao anatin’ny fiaraha-monina, ny fahasalaman’ny vehivavy ary ny ady amin’ny herisetra mihatra amin’izy ireo.