?BNGRC: MISY NY FEPETRA NORAISINA HIATREHANA NY METY HIAKARAN’NY RANO

“Tsy hiandry ho tonga any amin’ny efatra metatra ny ahavon’ny rano vao hisy ny fandraisana andraikitra” hoy ny tale jeneralin’ny Bureau National de la Gestion des Rirsques et des Catastrophes  (BNGRC) , Colonel Elack Olivier Andriankaja. Raha ny nambarany dia efa miara-miasa akaiky amin’ny APIPA sy ny sampana mpamatatra ny toetrandro ny BNGRC. Efa misy araka izany ny fanarahana tsy tapaka ny fiakaran’ny rano. “Efa nantsoina ny lehiben’ny distrikan’Antsimondrano sy ny ben’ny tanana manamorona ny Sisaony” hoy hatrany ny tale jeneralin’ny BNGRC. Hatreto dia tsy mbola misy atahorana ny fiakaran’ny rano saingy tsy maintsy raisina mialoha ny fepetra hiatrehana an’izany raha sanatria misy tampoka ny fiakaran’ny rano sy fihotsahan’ny tany.