ASA SOSIALY – Nitsidika toby fitaizana ankizy enjehin’ny lalàna sy manana olana amin’ny fiaraha-monina ny vadin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta

Antananarivo, 21 Desambra, 8 ora sy 10 mn hariva – Nombam-bady ny sasany tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta tany Antsirabe ny faran’ny herinandro teo. Nandritra io fandalovana tany Antsirabe io no nitsidihan’ny vadin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny Akany Fanantenana ao Antsirabe, toby fitaizana ireo ankizy enjehin’ny lalàna vokatry ny heloka tsotra sy ireo ankizy manana olana eo amin’ny fiaraha-monina. Ny vadin’ny Jeneraly Richard Ravalomanana, sekreteram-panjakana miadidy n’y zandarimaria, Sahondra Ravalomanana, izay nisolo tena ny vadin’ny Praiminisitra Christian Ntsay, Léa Ntsay no nitarika ny delegasionina.
Ankoatra ny fitsidihana dia nanolotra fampitaovana sy sakafo ho an’ny Akany ireo vadin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Milina fanjairana, fera fipasohana, boky fianarana sy rakibolana, kidoro, fitaovam-pihinanana, fotsim-bary, sira, vatomamy ary savony no anisan’ny entana nomena ny toby. Nisy ihany koa ny fambolen-kazo natao tao an-toerana ho fanamarihana ny fandalovan’ny mpitsidika. Ankizy 10 ka hatramin’ny 17 taona no tezaina ao an-toerana ary voafetra ho 30 ny isan’ny toerana.
Sary : Fiadidiana ny biraon’ny Praiminisitra