FOTODRAFITRASA – Vita ihany ny arabe manodidina Atsinanana sy Avaratra Atsinanan’Antanarivo

Affiche YouTube

Hisokatra androany alakamisy alina hifoha zoma amin’ny misasaka alina ny arabe vaovao mampitohy an’Andranobevava sy Ambohimangakely. Ny filohan’ny Repoblika no tonga nitokana ity fotodrafitrasa vaova ity, fotodrafitrasa izay efa an-taonany maro no niandrasana ny fahavitany. Mbola mampanantena fotodrafitrasa maro hanatsarana ny tanànan’Antananarivo i Andry Rajoelina.