– TOETRY NY ANDRO : Fampitandremana miloka mavo ho an’ny faritra Diana sy Sava manoloana ny rivodoza Dikeledi
– TONTOLO IAINANA : Olona miisa iraika ambinifolo no voasambotra noho ny doro ala tao anatin’ny herinandro
– ANTANANARIVO : Ampiasaina hikojakojana ny zaridainan’Ambohijatovo ireo vola azo tamin’ny fampisehoana jiro teny an-toerana
– ASA VAVENTY : Manomboka ny fanamboarana ny lalana eo Ambatoroka, Ambohipo ary Ambolokandrina
– FIFAMOIVOIZANA : Hisy fahatapahany mandritra ny fotoana tsy maharitra ny ampahan’ny lalampirenena faharoa eo anelanelan’i Manjakandriana sy Marozevo














