NIBOSESIKA HODY IREO AVY ANY AMIN’NY FARITRA

Raha nanambara ny teo anivon’ny ministeran’ny Fitaterana, ny 06 aprily 2020, fa mila mangataka fahazoan-dàlana mivoaka ny faritra ireo olona rehetra maniry ny hody any amin’ny tany niaviany, dia nofoanana izany tamin’ny fotoana farany. Ny famenoana amin’ny an-tsakana sy an-davany ny « Manifold » indray no entina manara-maso ireo mpandeha, raha araka ny fanazavan’i Joël Randriamandranto,minisitry ny Fitaterana. Nambara izy fa noho ny hamaroan’ny olona nirohotra teny amin’ireo tobim-piantsonan’ny taxi-brousse tamin’ity andro androany ity no antony nametrahana izany fepetra izany.

Ho an’ireo koperativa kosa dia niezaka nametraka lamina mifanaraka amin’ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana izy ireo. Natao lahara-pahamehana ny fanajana ny toromarika ara-pahasalamana. Nilaza ny mpiandraikitra iray amin’ny kaoperativa fa ezahana ny hanomezana fahafaha-po ireo mpandeha.